Ry namako, fotoanan’ny fanasitranan’Andriamanitra izao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, fotoanan’ny fanasitranan’Andriamanitra izao !

Te-hampahery anao hatrany aho hifikitra amin’ilay Andriamanitry ny fahagagana na inona na inona mitranga ry Malagasy namako.

Nanohina ahy manokana ny fijoroana vavolombelon’i Suzy izay nifampizara tamiko tamin’ny mailaka, ny ady natrehany ny amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza izay nahazo azy.

“Nihanandroso sy hita tety ivelany ireo famantarana vokatr’ilay aretina … Nilaza tamiko ny dokotera fa tsy afaka manao na inona na inona intsony, fa izaho hoy izy mila matoky an’Andriamanitra. Dia nangataka ny fanohananao am-bavaka aho, no sady nivavaka tamin’ Ilay Andriamanitra Mahery mba hanafaka ahy ary dia nihaino vavaka Izy. Azo tsapain-tanana izany fa tsy nisy soritra homamiadana hita intsony tety amiko. Tena tsy nahateny intsony aho manoloana ilay ‘Andriamanitra izay miasa amin’ny alalan’ny fahagagana. Eny mahatoky Izy, misy Izy, ary mahay ny zavatra rehetra Izy, tena faly aho. “

Nisafidy ny hitoky tamin’Andriamanitra i Suzy, tamin’ny alalan’ny vavaka ary novaliany! Ny Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia tsy niova!
Toy izany ny miaraka amin’Andriamanitra. Satria matoky Azy ianao, dia miasa Izy. Mamaly izy. Manome lanja ny finoanao Izy.

Ny fotoanan’ny fahagagana dia tsy hoan’ny lasa ihany. Tsy mbola tapitra ny fotoan’ny fanasitranan’Andriamanitra. Tena mino aho fa mbola miasa foana ny Andriamanitsika ankehitriny. Mivavaka aho mba hiasa eo amin’ny fiainanao sy izay ilainao Izy ary ny firenenao Izy.

Hotahina anie ianao, ary mba ho sitrana amin’ny anaran’i Jesosy!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!