Mamaly soa anao Andriamanitra !
Manahoana ianao ry Namako,
Maniry ny hampifaly an’Andriamanitra ve ianao ry Namako…? Ny Baiboly dia milaza hoe raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao ahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Hebreo 11 ny tokon’ny finoana ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Misaintsaina izany dia hampitombo be mihitsy ny finoanao….!
Mety hoe mbola misalasala ianao hoe manana finoana na tsia….Inoanao ve hoe misy Andriamanitra…? Hebreo 11.6 dia milaza amintsika hoe : “fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.”
● Ny finoana an’Andriamanitra no dingana voalohany. Mino fa misy Izy, mino ny famonjen’i Jesosy Zanany. Mino fa voavelany ny helontsika. Mino ny fahasoavany.
● Ny dingana faharoa dia ny mahatoky an’Andriamanitra. Mahatoky ny fampanantenany, ny planiny tanteraka ho amin’ny fiainantsika, ny fitiavany tsy miova. Mahatoky mialohan’ny ahitàna….
Amin’ireo dingana ireo – izay manakaiky an’Andriamanitra- dia mikoriana ny fampanantenana. Mahakasika anao manokana izany ry Namako, ianao izay mino fa misy Izy….Satria tokoa dia mamaly soa izay mikatsaka Azy Andriamanitra. Io teny hoe “valisoa” io dia midika hoe “ilay mandoa ny karama” amin’ny teny Grika. Mila mino fotsiny ianao hoe misy Izy dia mihetsika Izy, Voninahitra ho an’Andriamanitra…!
Manasa anao manokana aho hikatsaka an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo anio (Jeremia 29.13.) Maniry ny ho hitanao Andriamanitra….
Satria mino an’Andriamanitra aho ary koa mahatoky an’Andriamanitra, dia ambarako fa hamaly soa anao izay mitady Azy fatratra Izy…! Handoa ny karamanao Izy…!
Manasa anao aho hiaraka hivavaka amiko : “Andriamanitra Ray, mifona aminao aho noho ny finoako niozongozona. Eny mino aho fa misy Ianao ary mamaly soa ahy satria mikatsaka anao fatratra ny fanahiko. Afao amin’ny tsy finoako aho, ampitomboy ny finoako. Fantatrao tahaka ny ahoana ny hitiavako hampifaly Anao…! Ambarako fa Ianao no Andriamanitra Mahery izay mijoro eo amin’ny fiainako….!Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena”
Misaotra fa misy ianao !