Apetrao amin’Andriamanitra mpanasitrana ny finoanao !
Manao ahoana ianao ry Namako,
Izaho dia tsy mitsahatra ny manamafy hoe tokony mametraka ny finoanao amin’Andriamanitra ianao. Matokia ireo mpanompony sy ny mpaminaniny, fa minoa an’Andriamanitra Tsitoha, fa tsy mitoky amin’ny olona.
Ilay olona nofidin’Andriamanitra hanampy anao hahazo fanasitranana dia fitaovana ampiasainy – fomba iray hanatratrarana ny tanjona. Ny fanasitranana sy fanafahana anao dia avy amin’ny finoana ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny.
Ny Mpamonjy dia tsy nanda ireo nanam-pinoana ary tsy nanavaka ny olona tamin’ireo fihaviany samihafa, fa nitady ny finoana Azy. Ary rehefa nahita izany Izy dia nanasitrana ny marary. Ny iray amin’ireo teny tiany indrindra dia ny: “Tongava aminao araka ny ninoanao.” (Matio 8.13).
Indray andro raha nampianatra tao anaty trano be olona Jesosy, dia nandre feo nisavorovoro teo an-tampon-trano Izy. Nesorin’ireo lehilahy ny tafo tanimanga mba hampidinana ilay mararin’ny paralysisa … Raha nijery ilay tafo nisokatra ny Mpampianatra, dia nahita fandriana nidina avy any, ary nahita zavatra hafa koa Izy … zavatra hafa izay tadiaviny foana, alohan’ny hiasany: ny finoany izy ireo! (Lioka 5.20)
Androany ry namako, ny Tompo mahita ny finoanao. Mety ho kely izany eo imasonao, fa i Jesosy dia tsy nilaza mihitsy hoe mila finoana lehibe ianao. Ny finoana iray mitovy haben’ny voan-tsinapy dia ampy hamindrana tendrombohitra.
Fantatro fa manam-pinoana ianao ary io finoana io dia ampy hijanonan’i Jesosy eo aminao ka hilazany aminao hoe: “Ny finoanao no nahavonjy anao ry namako, meteza ho olona afaka sy sitrana ianao izao ankehitriny izao!”
Misaotra fa misy ianao !