Sitrapon’Andriamanitra ve ny hanasitrana anao?
Manao ahoana ianao ry Namako,
Izao no lazain’ny Baiboly hoe: «Ary nisy boka nanatona Azy, sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe:Raha mety Hianao dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: mety aho; madiova ianao. Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany ka dia nadio.” Marka 1.40-42
Tian’Andriamanitra ny olona. Andriamanitra tsara Izy, Andriamanitra fitiavana. Mino koa aho fa sitrapony ny hanasitrana. Tsy afaka miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra anefa isika, satria manana ny fiandrianany Izy.
Indraindray dia sarotra ny mahazo, sy manaiky ny fanapahan-keviny. Zava-misy ety an-tany izany, tsy manasitrana foana akory Andriamanitra.
Mivavaka isan-taona ho an’ny olona an’arivony aho, rehefa manontany ity fanontaniana ity aho “Hanasitrana anao ve Andriamanitra?” ny valiny henoko matetika dia: “Fantatro fa mahay manasitrana Izy raha sitrapony izany”.
Saingy, maro no mihevitra fa navela hiaritra fijaliana izy ireo raha ny hafa kosa mihevitra fa nolavin ‘Andriamanitra, na nosazin’ Andriamanitra izy ireo amin’ny homamiadana mahazo azy ireo na fijaliana hafa.
Aza mieritreritra izany. Tsy mandà anao Andriamanitra ary tsy manasazy anao. Fa, izy dia manam-pahefana.
Araka izany ry namako, raha ny fanasitranana dia ampahany manan-danja amin’ny maha Izy Azy an’Andriamanitra, dia manana fahefana koa Izy hiasa amin’ny fiainantsika, araka ny sitrapony sy amin’ny fotoanany, fa tsy antsika.
Minoa fa tsy mandà anao ary tia anao Andriamanitra. Matanjaha sy mahereza amin’ny anaran’i Jesosy! Enga anie ho feno ny fanatrehany ny tontolo andronao androany ary isan’andro!
Misaotra fa misy ianao !