Misafidiana hanana toetra tia mankasitraka

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Misafidiana hanana toetra tia mankasitraka

Manao ahoana ianao ry namako,

Imbetsaka ny Baiboly no manainga antsika hampitombo ny fifandraisantsika amin’ny Tompo Jesosy. Satria, ny fiainana kristianina tsy fotsiny hoe manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy fa MIAINA miaraka Aminy. Miori-paka anatin’ny Teniny, miorina amin’ny fahamarinana. fa Andriamanitra dia manasa antsika hankasitraka ihany koa.
“Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto [mitombo amin’zany] amin’ny fisaorana.” (Vakio Kolosianina 2.6-7.)
Ny fifaliantsika ny amin’ny izay nisy, izay misy ary ny hisy dia mahatonga antsika hitoetra hiorina ao amin’ny fahatokian’Andriamanitra. Manokatra ny masontsika amin’ireo fitahiany, mahita an’Andriamanitra amin’ireo fotoana bitika izay toa mahazatra:
● ny tara-masoandro mitopy eo amin’ny fitaratry ny fiaran-dalamby,
● ilay dadabe etsy am-pita izay tsy mivoaka ny trano raha tsy misatroka,
● ireo ankizy izay mitarokitsika mihomehy,
● ny vadintsika izay mandeha manary fako isan-kerinandro,
● sy ny maro hafa,
Tahaka an’i Jesosy izay nisaotra an’Andriamanitra talohan’ny nampitomboana ny mofo dia tonga ny fahagagana rehefa mankasitraka isika.
Fa indrindra, ny fahazarantsika mamboly toetra tia mankasitraka dia mampanakaiky antsika amin’ny fon’Andriamanitra sy hankafy ny fitiavany sy ny fahatokiany.
Manasa anao aho anio : mandraisa kahie kely na ny findainao dia manorata zavatra folo izay tena nankasitrahanao ary hisaory Andriamanitra noho izany.
Misaotra fa misy ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!