Ry namako, te hampiasa anao amin’ny fomba manokana Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, te hampiasa anao amin’ny fomba manokana Andriamanitra

Manahoana ianao ry Namako,

Taty Madagasikara no nahafahako nihaona tamin’i Père Pedro sy nahazoako namangy ny asa fanompoana natsangany izay antsoina hoe “Akamasoa”.

Mitovy amin’i Mère Theresa no handraisan’ny Malagasy azy. Efa mihoatra ny 25 taona no nandraisany sy nitaizany ary nanehoany ny fitiavan’Andriamanitra amin’ireo ankizy sy fianakaviana aman-tapitrisa. Amin’ny finoana an’Andriamanitra no hanaovany izany.

Ary tena tsy takatry ny saina ny fiantraikan’ny asany. Zaza aman-tapitrisa no nomena trano sy velomina, tsy lavitry ny renivohitr’ i Madagasikara. Betsaka amin’izy ireo no miaraka amin’ny fianakaviany, fa betsaka koa ny kamboty. Mihoatra ny 17000 ny olona ao, mipetraka amin’ny tanàna naorina niala tamin’ny tsy nisy.

Tena nahakasika ahy izany satria hitako fa ny olona manolotra ny ainy ho an’i Jesosy sy ho an’ny hafa dia afaka manova izao tontolo izao sy ny olona tsirairay avy.

Ianao koa tahaka an’ i Père Pedro dia voatendry hiavaka eto amin’izao tontolo izao. Betsaka ny zavatra ilain’ny olona manodidina anao. Afaka hasehonao amin’ny hafa fa manan-danja, misy vidiny, ny olona tsirairay avy. Teneno aminy hoe… Misaotra fa misy ianao.

Izany no zavatra tsapako niaraka tamin’i Père Pedro sy ny ekipany. Hoy izy amin’ireo zaza ireo hoe: Misaotra fa misy ianareo. Sarobidy ianareo. Misy dikany ny fiainanareo. Hikarakara anareo izahay. Ho tiavinay ianareo, omenay sakafo, omenay akanjo, hampianarinay hiasa.

Misaotra an’i Père Pedro noho ny fisiany, ary misaotra anao koa ry Namako. Te hampiasa ny fiainanao amin’ny fomba manokana Andriamanitra

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!