Rehefa miteny aminao andriamanitra hoe mitsahara ✋:

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Rehefa miteny aminao andriamanitra hoe mitsahara ✋:

Manahoana ianao ry Namako,
Andro iray mialohan’ny andro voalohan’ny taona isika ary somebiseby manomana ny sasakalina ny olona. Afaka ora vitsy dia hiditra ny taona 2023 isika ary ho feno indray ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara ho tanterahina. Kanefa dia anatin’ny herinandro vitsy monja dia mamotsitra izany isika….Nahoana…? Ny fihazonana izany fanapahan-kevitra izany dia mila drafitra mipetraka isan’andro ahatratrarana ny tanjona.
Indraindray isika dia mandeha fotsiny amin’ny honjohonjontsika mba hanatratra ny tanjontsika na hanatontosa ireo tetik’asantsika. Ahoana moa raha amin’izao hidirana ny taona vaovao izao dia miantso antsika Andriamanitra amin’ity andinin-tsoratra masina ity hoe :“Mitsahara ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra!” (Vakio Salamo 46.11.)
Rehefa miteny Andriamanitra hoe : “STOP”, ao amin’ny Teniny dia satria misy fanambarana goavana tiany hambara amintsika. Te hisintona ny fifantohantsika Izy amin’ny zavatra iray manokana. Ary ao amin’io andinin-tsoratra masina io moa dia manasa antsika Izy hitsahatra…
● Aza mihetsika (mba hamela an’Andriamanitra hiasa)
● Aza miasa saina
● Aza miteny (mba hahenoina ny feon’Andriamanitra)
● Aza manahy (satria Andriamanitra dia fialofana lehibe)
● Aza be drafitra sy te hifehy ny rehetra (satria Andriamanitra no mandrafitra sy mandidy)
Sns….mety ho lava ny lisitra…!
Fa rehefa mibaiko antsika Andriamanitra hoe mitsahara dia maniry Izy ny:

  • hisintona ny fifantohantsika amin’ny maha-Izy Azy
  • ary hanome fahafahana antsika hanaiky fa Izy no Andriamanitra.

Satria tokoa, Izy no Andriamanitra Mahery, izay tsy misy fiandohana na fiafarana. Izy no namorona izao rehetra izao. Ary tao amin’ny heriny rehetra dia afaka noforoniny indray andro daholo ny zavatra rehetra….kanefa nataony tsikelikely izany….dingana miavaka sy tam-pieritreretana.

Ka mialohan’ny hamohahanao ny planinao amin’ity taona vaovao ity dia mangataka anao Andriamanitra hijanona ary hiandry ny toro-marikany, ny toro-làlany. Te hanoro anao tsikelikely ny planiny feno fiadanana sy ny tanjony feno fahatsarana Izy. Izany ny dingana tsara raisina indrindra hanombohana ny taona: mihaino an’Andriamanitra ary mitoetra eo amin’ny làlany…!

Eny ry Namako, tonga ny fotoana hitsaharana mialohan’ny hanombohana…!

Manasa anao aho hivavaka hiaraka amiko : “ Ray ô, misaotra anao aho manampy ahy hametraka izany fomba tsara izany, amin’izao hankatoky ny taona vaovao izao, ary mialohan’ny fanapahan-kevitro vaovao dia ny hitsahatra hihaino ny feonao mba hanome voninahitra anao ny fiainako. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena.”

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!