Ilay Fahasoavana dia olona
Manahoana ianao ry Namako,
Ny vanim-potoanan’ny krismasy ho antsika, mpianatr’i Jesosy, dia ny fankalazana ny fahasoavan’Andriamanitra, izay mihavao isa-maraina ho antsika. Araka ny lazain’ity hira ity…
“Ô nuit d’espoir, sainte nuit, (Ry alim-panantenana, alina masina)
L’espérance a relui (Mihiratra indray ny fanantenana)
Le Sauveur de la Terre est né, (Teraka Ilay Mpamonjy ny tany)
C’est à nous que Dieu l’a donné. (Nomen’Andriamanitra antsika Izy)
Célébrons ses louanges, (Handeha hankalazaintsika amin’ny fiderana)
Gloire au Verbe incarné” (Dera anie ho an’Ilay Andriamanitra tonga nofo)
Ny fahagagana ankalazaina amin’ny vanim-potoanan’ny krismasy dia ilay fahagagan’ny fahatongavana ho nofo! Io fiteny tsy dia mahazatra io dia midika hoe tonga olona Ilay persona ao amin’Andriamanitra, mba hanatona antsika ao amin’ny fiainantsika:
“Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.” (Jaona 1.14)
Ry namako, tsy foto-kevitra ny Krismasy. Tsy fankalazana filôzôfia na foto-pampianarana na ihany koa teôlojia ny krismasy.
● Ny krismasy dia fotoana ankalazàna an’i Jesosy
● Ilay fahasoavana dia olona
● Ilay fahamarinana dia olona
● Ilay làlana dia olona
● Ny fiainana dia olona
Ilay olona dia Jesosy, izay isitrahantsika ilay fitiavana tsy mety ritra avy amin’Andriamanitra. Mahafinaritra ny mandinika ny Baiboly, tsara tokoa ny mandalina ny teôlojia ary ilaina ny mahay tsianjery andinin-tsoratra masina. Saingy tsy azo atakalo ny mistery ara-panahy momba ilay persona Jesosy izany, Izay tenin’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra tonga olona.
Tsy tonga hanome foto-pampianarana ho antsika Andriamanitra, fa tonga hanome ny tenany ! Izy no endri-pitiavana, ary Mpamonjy anao, ry namako.
Mankalazà miaraka amiko amin’ny fiderana !
Misaotra fa misy ianao!