Krismasy: mahazo laka ny fiderana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Krismasy: mahazo laka ny fiderana !

Manahoana ianao ry Namako,

Androany aho dia hizara aminao ity hira krismasy ity izay manainga antsika ampiakatra ny fiderana ho any amin’Andriamanitra. Vao teraka i Jesosy dia nanome ohatra tsara sy mendrika ny anjely:

“Écoutez, le chant des anges, (Henoy ny hiran’ny anjely)
Vient d’éclater dans les airs ; (Manakoako eny rehetra eny)
Joignons aussi nos louanges (Handeha koa hanaraka azy)
À leurs sublimes concerts : (Amin’izato hira fiderana tsara ventesiny)
Gloire à Dieu ! Paix sur la terre ! (Dera ho an’Andriamanitra! Fiadanana ho ety an-tany!)
Aujourd’hui le Christ est né ! (Teraka androany Kristy!)
Jésus s’est fait notre frère, (Tonga rahalahintsika i Jesosy)
Un Sauveur nous est donné, (Nisy Mpamonjy nomena antsika)
Jésus s’est fait notre frère, (Tonga rahalahintsika i Jesosy)
Un Sauveur nous est donné !” (Nisy Mpamonjy nomena antsika)

Tena misy hery ao anatin’ny fiderana, rehefa manandratra ny anaran’i Jesosy isika dia mamela ny Fanahy Masina hiasa. Ry namako, amin’izao vanim-potoanan’ny krismasy izao dia omeo laka ny fiderana! Amin’ny fotoana rehetra dia afaka manovo hery indray amin’ny fanatrehan’ny Tompo ianao… Rehefa hiventy hira fiderana ho Azy ianao dia ho tsaroanao tsara ny toetrany mahatoky, sy ny herin’ny fanovàna nataony rehefa niditra teo amin’ny fiainanao Izy.

Ny anjely dia mihira fiderana ny Tompo. Ny tombony ho antsika dia manao tahak’azy ireo:
Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra; ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia!»” (Lioka 2.13-14)

Fa mbola manana tombony mbola lehibe kokoa noho ny an’i anjely isika: zanak’Andriamanitra isika! Ankamamian’Andriamanitra manokana ny fisianao. Mifaly amin’ny fiderana ataonao, amin’ny fomba manokana Izy. Satria sarobidy imasony isika ary tiany ny mifandray amintsika !

Ry namako, amin’izao vanim-potoana izao izay mahabe ny sakafo, fanomezana sy fety samihafa, te hampahery anao aho mba hanomboka sy hamarana ny tontolo andro amin’ny fiderana, fiankohofana, fibanjinana an’io Andriamanitra tsara io.

Fanasany izany… ary tombony ho anao!

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!