Ry namako, misaora an’andriamanitra ny amin’ny maha toy izao anao !
Manahoana ianao ry Namako,
Andriamanitra tsy mamorona olona mitovy. Tsy nahaliana Azy ny namorona “robot” ary tsy nitady kristiana tsy misy toetra ratsy Izy. Tiany aho, amin’ny izao toetrako izao ary tahaka izany koa ianao ! Jesosy no Mpiandry tsara, Ilay mahalala ny ondriny tsirairay avy amin’ny anarany. Ary fantany tsara ianao ry Namako !
“Ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka.” ( Jaona 10.3)
Rehefa tonga eo anatrehany ianao, tsy hiteny aminao Jesosy hoe naninona ianao no Malagasy fa tsy Mosesy na Joyce Meyer. Tsia, ny mety hanontaniany anao dia hoe naninona ianao no tsy ianao ihany.
Tena miavaka ianao ary tsisy olona afaka… ho toa anao ! Mianara ho tia ny tenanao amin’ny maha ianao anao, miaraka amin’ny toetranao tsara fa na ny ratsy koa aza ! Satria, ny marina dia izay zavatra mbola hatsaraina ao aminao dia entin’Andriamanitra hanehoany ny fanohanany anao sy hanovàny anao amin’ny Fanahy Masiny.
Aza menatra ny aminao. Aza miala tsiny ny amin’ny fisianao ! Noho izany maninona raha misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny maha-ianao anao ?
“Jesosy Tompo o ! midera anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy !
Mahagaga ny asanao. Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Nalaina tamin’ny Salamo 139.14)
Misaotra fa misy ianao !