Ry namako, fantatrao ve fa misy hery ao ambadiky ny fahazarana kely isan’andro ?
Manahoana ianao ry Namako,
Omaly raha nandeha nitsangatsangana izahay mivady dia nahita lehilahy nitondra bolongan-kazo iray teo ambonin’ny bisikiletany. Niresaka izahay hoe “fetsy tokoa io lehilahy io satria raha tohizany izao isan’andro dia tsy mila mividy kitay intsony izy mandritra ny herintaona manaraka”.
Lasa niady hevitra momba ny herin’ny fahazarana kely izahay. Indraindray isika miandry fiovana goavana nefa ny fiovana sasany mandeha tsikelikely. Misy zavatra apetraka hitondra fiovana tanteraka eo amin’ny fiainantsika, tsy androany dia androany, fa miandàlana.
Diniho ange ny momba ireto fahazarana kely ireto e…
● Ny Fahazarana mankasitraka : Mankasitraka an’Andriamanitra sy ny hafa, matetika manomboka amin’ny teny hoe “misaotra”.
● Ny Fahazarana midera : Misy hery lehibe ao ambadiky ny fiderana, rehefa manandratra ny anaran’i Jesosy isika ka mamela ny Fanahy Masina hiasa. Amin’ny teny na amin’ny hira no hanaovana an’izany.
● Ny Fahazarana miresaka amin’Andriamanitra : Midika hoe mampitombo ny fotoana hiresahanao amin’ny Rainao any an-danitra. Mihaino anao Izy ary maniry hamaly vavaka anao.
● Ny Fahazarana manampy ny hafa. Misy olona azonao hampiana ve anio ? Ka ho lasa samaritana tsara fanahy ho azy ianao.
● Ny Fahazarana manome : Hoy ny Baiboly : “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy”. (1Kor 16.2) Tsy amin’ny fanerena na alahelo no hanaovana izany, fa mametraka fahazarana.
● Ny Fahazarana mitsiky : Nandritra ny andro fialan-tsasatra indray mandeha, nanandrana nitsiky tamin’ny olona rehetra aho isaky ny nitaingina bisikileta, gaga aho fa nitsiky tamiko daholo koa ny olona 🙂
● Ny Fahazarana mikarakara vatana : Mampirisika anao aho hikarakara ny vatanao, izay tempolin’ny Fanahy Masina : mandeha tongotra, mihazakazaka, tsy mihinakinam-poana fa mihinana sakafo ara-pahasalamana.
● Ny Fahazarana mihaino an’Andriamanitra : Azonao hatao tsara izany amin’ny famakiana Baiboly, fihainoana fampianarana na famakiana ny “Fahagagana isan’andro” sahala amin’izao ataonao izao.
Ny fomba mahomby hananana fahazarana tsara dia ny mizàtra manao zavatra kely isan’andro isan’andro. Ho hitanao fa hisy zavatra be dia be hiova eo amin’ny fiainanao.
Fahagagana ny fisianao!