Ry namako, eo aminao ny tànan’andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, eo aminao ny tànan’andriamanitra !

Manahoana ianao ry Namako,

Nivavaka Jabeza nanao hoe : “Ary ho amiko ny tànanao” (1Tantara 4.10)

Ny dikan’ny teny hoe tànana amin’ny hebreo dia “Yad”. Misy resaka fahatsiarovana ao anatin’ izany teny izany. Manamarina izany ny anaran’ ny toerana fahatsiarovana ny namonoana ny Jiosy “la Shoa” atao hoe Yad Vashem.

Azo adika toy izao ny tian’ i Jabeza lazaina : izay zavatra nataonao tamin’ny rainay, ny fahagagana rehetra, ny fifohazam-panahy tany aloha tany… tiako hiainana indray izany androany. Tiako ny tànanao ho eo amiko tahaka ny tànanao teo amin’ny Abrahama, Isaka, Jakoba rainay.

Ho eo aminao tokoa ny tànan’Andriamanitra, ry Namako. Ho eo amin’ny ankohonanao, ny fianakavianao iray manontolo, ny asanao, ny fianaranao, ny momba anao rehetra, ny tanàna misy anao, ny firenenao. Ilay Tànany mahery, miasa, mitahy, manasitrana, miaro mba hahafahanao miaina ireo fahagagana mameno ny Baiboly. Manàna fo mahay mankasitraka Azy ny amin’izany.

Tahin’ny Tompo ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!