Misaotra ….ny amin’izay efa nomenao ahy !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Misaotra ….ny amin’izay efa nomenao ahy !

Manao ahoana ianao ry namako,

Indray andro dia nentin’ny raim-pianakaviana manankarena iray ny zanany lahy ho any ambanivohitra ahita ny fomba fiainan’ny olona mahantra. Nijanona tany andro vitsivitsy izy, nitoetra tao aminà toeram-piompina iray izay an’ny fianakaviana tsy dia tena nanan-katolotra azy ireo.

Rehefa nody izy ireo dia nanontany ny zanany ity raim-pianakaviana:
● Nahafinaritra anao ve ny tany..?
● Tena nahafinaritra be ahy ry dada…!
● Hitanao ve hoe tahaka ny ahoana ny fiainan’ireo olona mahantra…?
● Ie…! hoy ny zanany.
● Inona ary no nianaranao…?

Valim-panontaniana nahavariana no nomen’ny zanany: “Hitako hoe alika iray ny antsika, nefa ny an’izy ireo efatra. Isika manana dobo filomanosana manenika ny atsasa-manila ny zarindainantsika, fa izy ireo manana renirano hilomanosana. Isika manana jiro maro ao an-jaridaina fa izy ireo manana ny kintana eraky ny lanitra. Manana sary hosodoko maro isika fa izy ireo manana ny fara-vodilanitra. Isika manana tanàna goavana fa izy ireo manana saha tsy hita pesipesenina. Manana mpanampy isika fa izy ireo dia miara-manompo. Mividy ny ilaintsika isika fa izy ireo mamboly izany. Misy rindrina manodidina antsika mba hiaro antsika fa izy ireo dia ny namany no miaro azy”

Tsy nahateny ny rainy.

Dia nampian’ity zanany hoe: “Dada ô, misaotra nampiseho ahy hoe aiza no tena harena…!”
Nomarihanao ve ry namako…? Ny zavatra toa tsy misy tombam-bidy ho an’ny sasany dia toy ny harena be ho an’ny hafa…! resaka fomba fijery io….sy toetra…!

Aiza ny misy ny harenanao…?Ao amin’ny fanananao, ny volanao…?
● sa ao amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra…?
● sa ao amin’ny fifaliana izay volenao…?
● sa ao amin’ny finamanana izay kolokoloinao…?

Matetika loatra dia tsy tsaroantsika ny harena efa nomen’Andriamanitra antsika ka mahatonga antsika mitoloko amin’ny zavatra tsy mbola azontsika na irintsika ho azo.
Ny fahononan-tena sy ny fankasitrahana dia soatoavina fototra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay tsara aseho isan’andro. Na dia te hanome antsika izay irintsika aza Andriamanitra dia mila koa isika mianatra mankafy ireo efa hananantsika anio.

Ny Baiboly dia mampianatra antsika hoe : “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra… aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6.6-8.)

Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra mandrakariva ary tsarovy fa “manana ny zavatra rehetra ianao ao amin’i Kristy Jesosy”.

Tahin’ny Tompo ny tontolo andronao anio!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!